You are here: home > Tononkira > Poopy

ANY AN-KAFA (Poopy)

Efa hitanao miharihary izao
Ny tsy mety ataonao
Aza mamorona indray
     Tsapako eto fa
     ’Reo toky izay nataonao
     Ts’isy lanja taminao
     Vazivazy ka natao


Koa andeha ianao
Zory izao ny dia
Izaho tsy hoe hifikitra aminao
Avelao aho rehefa tsy tianao
Tsy ho lany andro eto aminao


     Tsiky dia ampyAmbarao raha toa
     Tsy tia intsony ianao
     Hanamboarako ity fo
     Mba tsy halahelo anao
         Any an-kafa indray
         Mandehana mamitaka
         F’efa reraka aho izao
         Leon’ny hitsakitsakao

Tsofi-drano ianao
Hanao ’zay tianao
Mahazoa izay irinao
La! la! la! la! ...
Mahazoa ’zay irinao

(1988)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Poopy
Mpamaky : 3463
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Naly Randria
Tamin'ny : 24/11/2001 07:57:29
ID : 371

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo