You are here: home > Tononkira > Poopy

AHOANA TOKOA (Poopy)

REF:Mbola ho tia ve ny foko,raha tsy ho eo intsony ianao
       Tsy hitako ho sainina akory hitia olon-kafa fa tsy ianao
       Hiova sy mbola hanavao fitiavana tsy ho anao
       K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao,ianao

Izay rehetra naleha niarahana taminao
Mbola hiverenako ve ho an’olon-kafa indray
Sao lahy ahatsiahy mafy anao aho ka hampahory ahy
Ka ho maina fa hangahiahyTsiky dia ampy aho (2)aky

Mbola ho vitako ve ny hilaza tsy aminao
Fitiavana be dia be noheveriko ho anao
Sao lany andro ampitaha aho ka hanahirana
Ka ho maina fa hangahiahy aho

REF:...

Hangitakitaka ve ny doboky ny foko
Hijaly kely ihany koa ve ny aty fanahiko
Sao olon-kafa tsy ianao no ho eo anilako
Manahy aho,manahy,manahy mafy aho aky
Tena mbola manahy,fa hangahiahy satria
Ho haiko ve ny hanadino anao

REF:...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Poopy
Mpamaky : 5720
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : une fille inconnue
Tamin'ny : 14/09/2004 03:59:26
ID : 2610

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo