Mahandry 2.0 (Pit Léo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa misy tsy milamina dia 'zah mbola aty
Ianao efa na anazy ary dia 'zah mbola tia
Mba mitodia aty fa 'zah nge mbola tia andry
Rehefa leo any 'lay any dia tongava makaty
Tena lasa any aminao foana ny saiko oh!
Ianao 'lay lasany any makarary ny aiko oh!
Miandry any 'zay rariny ah satria 'zay tia mahandry
Aleoko lo mivavaka mintsy @ 'lahady

Fa na tantara taloha ary ny antsika
'Lay fitiavana ao anatiko ao tsy mety ho ritra
Tsy mahalala aokoatra anao aho malala
Efa manomboka mitapy satria 'zay tia adala

Dia ranomaso sisa no mba namako oh!
Fa nohetinao any ilay anjara masoandroko oh!
Dia tsisy hafa tsy sento no avoaka ny vavako oh!

Raha tsy ampy anao 'zay omeny any ny aty mbola tsy lany
Tsy mampaninona 'zay zava-bitanareo tany
Raha mila fahasambarana dia ananako zany
Fa aza manotany
Aza manotany

Mora voadoana ny lena rehefa misy tsy ampy anazy
Miaina tsisy andry otrana misotro tsisy coupage
Resaka matotra 'zany fa tsy vazivazy
Antsagako ny tanako mba san eh!
Fa raha mbola manatena kosa ve 'zah dia diso
Avelako any ny omaly fa aleo mijery ny ampitso
Tsisy hafa tsy ianao irery no mendrika antsoiko hoe piso
Dia mba mitodia aty fa iza nge mbola miandry andry
Rehefa leo any 'lay any dia tongava makaty
Fa ho raisiko antana-droa fa aza manahy akia
Dia ianao no miheritreritra fa anao ny safidy

Fa na dia tantara taloha ary ny antsika
'Lay fitiavana ao anatiko ao tsy mety ho ritra
Tsy mahalala aokoatra anao aho malala
Efa manomboka mitapy aho satria 'zay tia adala

Raha tsy ampy anao 'zay omeny any ny aty mbola tsy lany
Fa tsy mampaninona 'zay zava-bitanareo tany
Raha mila fahasambarana dia ananako zany
Fa aza manotany
Aza manotany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Pit Léo
Vangy : 2069
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Binea
Daty : 13/10/2017 20:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764