PARSON JACQUES - FITIA ADALADALA (Parson Jacques)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitia adaladala
Maro mpankahala
Ny fitiavako anao
Nefa izay noheveriko
Sy mba tratry ny heriko
Atolotra ho anao
Sadasada angamba
Na minia ho jamba
Ny fitazana azy
Saingy lalim-paka
Efa tompon-daka
Fa tsy vazivazy
Lala-nofinidy
Ka na dia mangidy
Laitra sy zakaina
Ny henjika mihatra
Efa mahazatra
Ka tsy hiferotan’aina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Parson Jacques
Vangy : 3547
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ainafitiii
Daty : 06/12/2013 18:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3615