FITSAPANA (Parson Jacques)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho any ianao, hahita ilay namako iray
Mihaona, miaraka hitafa indray
Hevero fa izaho ilay ianao eo
Raha tsapany fa nifankatia izahay!
Mbola manantena hihaona indray
Angamba tsy ho azom-pandrika

Fiverenana:
Ho fitsapana, no fisedrana
Tena mbola tia be tokoa
Mahatsiaro ianao
Mbola inoako, tsy hiova ny foko
Mbola tena tia be tokoa
Mahatsiaro ianao

Raha mba izaho no tamin'ny toerana misy anao
Izy no hitako anoloako eo
Angamba niahiahy foana hatreo
Aoka hanonofy aloha ny anio
Fa ny ampitso ankamantatra
Ny ho marina sy izay ho diso
Tsy fantatra?!

Fiverenana:
Ho fitsapana, no fisedrana
Tena mbola tia be tokoa
Mahatsiaro ianao
Mbola inoako (Mbola inoako), tsy hiova ny foko
Mbola tena tia be tokoa
Mahatsiaro ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Parson Jacques
Vangy : 2094
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : fioty
Daty : 19/01/2017 06:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735