FITSAPANA (Parson Jacques)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho any ianao hahita zay namako izay
Hiaona hiaraka hitafa indray
Hevero fa izaho lay ianao eo
Raha tsapany fa nifankatia izahay
Mbola hiaraka hitafa indray
Handà tsy ho azom-pandrika

Ref: Ho fitsapana, ho fisedrana
Mbola tena tia ve tokoa
Mahatsiaro ianao
Mbola inoako tsy hiova ny foko
Tena mbola tia ve tokoa
Mahatsiaro ianao

Raha mba izaho no tamin’ny toerana nisy anao
K’izy ho hitako eo anoloako eo
Angamba ny ahiahy ho foana hatreo
Aoka hanonofy aho aloha ny anio
Fa ny ampitso ankamantatra
Ny ho marina sy izay ho diso
Tsy fantatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Parson Jacques
Vangy : 3275
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BOUZI
Daty : 08/09/2004 10:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2541