Josefa (Onjampeom)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Josefa

Ilay tantaran'i Josefa
Sy ireo rahalahiny tsy tia azy
Nipetraka tao Kanàna
Nivahinian'ilay Jakoba

Fa Josefa tena tiany rainy
Satria zanaky ny fahanterany
Nanaovany ankanjo lava
Akanjo misy soratsoratra
D.C

Chorus
Nanonofy eeeJosefa isanandro
Ary notantarainy ee tamin'ireo rahalahiny
Ka vao maika nialona azy natahotra azy ho tanteraka
Tsy misy tsy nandrahona azy,ireo rahalahiny miresaka

--
Ka dia lasa ireto zokiny
Niandry ondry tany Dotana
Nanaraka koa i Josefa
Nobaikoiny rainy izy

Ka namidin'ireo zokiny
Dia nolazainy fa lanim-biby izy
Akanjo tsara tarehy
Nasiany ran'ny zanak'ondry

Chorus
----
Nitomany eee,Jakoba rain'i Josefa
Nalahelo mafy ee,an-janany tsy foiny
Ny hany zavatra vitany ,nanao lamba fisaonana
Vokatry ny fialonana,nampalahelo ity tantara ity
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Onjampeom
Vangy : 859
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Midotieroselind
Daty : 18/04/2019 10:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792