Isika roalahy (feat Parson Jacques) (Olive)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taona maro lasa izay
Teny ho eny foana isika
Samy sondrina, miana-mamindra
Toy ny zaza miana-mandeha.

Ankehitriny, tsisy tsiny
Fa tafiaraka mivazo
Ka handeha isika, hampiara-peo
Hiventsoventso sy hitoreo.

Refrain:
Isika roalahy
Hiara-paly sy hivazo
Satria ny mozika
Mampihentana ny fo.

Isika roalahy
Hifampizara ireo kanto
Ka na aiza misy anao na izaho
Mozika foana rehefa mihaona.

Instrumentale...........

Taona maro lasa izay
Teny ho eny foana isika
Samy sondrina, miana-mamindra
Toy ny zaza miana-mandeha.

Ankehitriny, tsisy tsiny
Fa tafiaraka mivazo
Ka handeha isika, hampiara-peo
Hiventsoventso sy hitoreo.

Refrain:
Isika roalahy
Hiara-paly sy hivazo
Satria ny mozika
Mampihentana ny fo.

Isika roalahy
Hifampizara ireo kanto
Ka na aiza misy anao na izaho
Mozika foana rehefa mihaona.

Pont:
Tsy voafetra taona ny mozika
Fa mampiray antsika isa-minitra
Ny fo tsika ikambana iray
Ka tsy hisaraka mandrak'izay...!

Refrain:................

.............................

Mozika foana rehefa mihaona!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olive
Vangy : 926
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 18/06/2019 12:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716