Analakely (Odéam RAKOTO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ha ha ha...
Analakely, Analakely lazaiko anao

Fiv:
Analakely ry lahy e, Analakely, Anjomà
Tsena isan'andro, isan'andro
Maresaka dia maha-te hizaha

Ny mpiantsena dia maro dia maro
Ary ny vokatra koa mifangaro
Na ny lamba na hena eny an-tsena
Sahaza ny olon-drehetra ô

Fiv

Etsy madama ô, avia
Tsy mamitaka anao sanatria
Ny vidiny fantatra ihany
Fa ny tsara dia lafo avy hatrany

Fiv

Ny trano vaventy jereo
Miandry hidiranareo
Manintona anao hisafidy
Sarotra atao mora vidy

Fiv

Ny haninkotrana tsy mety lany
Jereo fa miladina an-tany
Ny atodin'ny akoho amam-borona
Mitandahatra mana-morona ô

Fiv

Ny mpiantsena rehefa Zoma
Toa mila hifanao ba
Mifanesika tsy hita intsony
Nefa tsy manao akory

Fiv

Etsy kely ary angaloha azafady
Na ny tokana na manambady
Fa ny tsena aty Analakely
Tsy hamantarana madimôzely

Fiv

Reo trano mieva fahiny
Zary pavillon ankehitriny
Ka raha leony dia tsy mahatanty
Dia miala manova patanty

Fiv

Rehefa Zoma hita tsara
Tomandavana hatreny amin'ny gara
Ny asa-tanan'ilay Gasikara
Fanaka sy farafara

Madama, madama...
Tsena Analakely Anjoma
Fiv

Ny vola, ny vola zalahy
Rehefa hiantsena Zoma
Fa Analakely eny mantsy
Mampisento an'izay kely vatsy

Fiv

Zany no Analakely
Analakely fivorian'ny vorona
Analakely fitangoronan'y olona

Analakely
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Odéam RAKOTO
Vangy : 1560
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/10/2016 01:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113