Menatra aho (Ny Ventso)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapako eto anio,
Tsaroako tokoa ilay teo Kalvary
Izay nitory fitia ho ahy.
Voakapoka, nohomboina;
Nitondra latsa, eso,
Nijaly re i Jeso

Tompo be fitia,
Tsy mendrika ho anao raha izaho efa nania
Menatra anao aho.
Ifonako avokoa ireo ota vitako
Ka ity foko ity ry ray ho lapanao mandrakizay.

Tsapako eto anio,
Fa ilay ranao soa no nanafaka ahy
Ho mandrakizay.
Afaka aho anio ka izao no tadidio,
Ny amiko rehetra
Ho anao tsy misy fetra.

Tompo be fitia,
Tsy mendrika ho anao raha izaho efa nania
Menatra anao aho.
Ifonako avokoa ireo ota vitako
Ka ity foko ity ry ray ho lapanao mandrakizay.


© Ny Ventso 2015
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ventso
Vangy : 1101
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kaleba02
Daty : 21/07/2018 10:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1695