Hiady ho anao (Ny Ventso)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka re, aza mitomany.
Tsy irery tsy akory ianao fa izao no ety.
Reo manodidina mialangalana
Fa Jesô Tompo tsy miala an-daharana.

Ny anjeliny efa nirahiny hamonjy anao.
Mitrakà, mitrakà
Fa na toy ny ahoana karazana olana mihatra aminao
Dia izao, izy efa niomana,
Efa nivonona hiady ho anao.

Aoka re, aza mba misento.
Zao no tsara ho fantatrao, mandalo ny eto.
Mahatsiaro ho resy ianao, efa reran-tsaina
Jesosy anefa efa naheno ireo tarainao.

Ny anjeliny efa nirahiny hamonjy anao.
Mitrakà, mitrakà
Fa na toy ny ahoana karazana olana mihatra aminao
Dia izao, izy efa niomana,
Efa nivonona hiady ho anao.

© Ny Ventso 2018
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ventso
Vangy : 1377
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kaleba02
Daty : 21/07/2018 10:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725