Fitiavana (Ny Vahona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry hasambarana taloha
Niova ho famoizam-po ho'aho
Noheveriko hitohy
saingy indrisy fa nafoy !

Fitiavana ô avia,
ambarao ilay fitia
Koa miverena, mivilia
koa miverena mivilia !

Tsy anjara ve sa diso aoriana
no mampitondra fahoriana;
Lazao re raha toa tsy tiana
Fa aza dia ampijaliana !

Fitiavana ô avia,
ambarao ilay fitia !
Koa miverena, mivilia
koa miverena mivilia !

Fitiavana ô avia,
ambarao ilay fitia
Koa miverena, mivilia
koa miverena mivilia

Lahatra ve sa izao no anjara
No dia ratsy fa tsy tsara;
Mampitondra fahoriana,
Ranomason'olon-tiana !

Fitiavana ô avia,
ambarao ilay fitia
Koa miverena, mivilia
koa miverena mivilia


Tonony sy feony : Ramarosandratana Paul
--------
Rohy:
Hevitra
Tanjaka ( 27/04/2019 15:14)
Miarahaba,

Hira fahatsiarovana ny hatanorana itony ary tsara raha hain'ny malagasy rehetra.

Tsy ao anatin'ny lisitry ny mpihira voafetranareo tato ny tarika "NY VAHONA" dia natsofoko hoe "Vahiné" na fantatra fa tsy diso aza !
Mangataka fanitsiana !
Misaotra tompoko !
ikalamako ( 28/04/2019 00:12)
Misaotra indrindra fa voahitsy. Fa raha mbola tsisy toa ireny ny mpihira dia azonao ampidirina ange e. Manao "hampiditra mpihira" aloha dia avy eo mampiditra hira.
Mankasitraka hatrany o
TANJAKA ( 28/04/2019 06:42)
????Misaotra an'i @Ikalamako nitondra fanitsiana.????

??Isan'ny "Fahatsiarovana mamy " tao anatin'ny hatanorana itony koa samia mamoaka ny tsiahiny eto.
Mankasitraka be ô ????????
TANJAKA ( 28/04/2019 06:50)
Au fait, Tsy tena voahitsy araka ny fangatahana satria Ny VAHINE tsy VAHONA mihitsy.

Misaotra mialoha.
ikalamako ( 28/04/2019 09:56)
oudryyy any amin'ise angamba mila atao F5 matetika fa tsy Vahine io Vahona an : http://tononkira.serasera.org/mpihira/ny-vahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Vahona
Vangy : 1744
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tanjaka
Daty : 28/04/2019 00:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012