Tsy Ho Kivy (Ny tsantan'ny famonjena)

Ry Tompo ô,esory amiko ity kapoaka ity
Fa tena mangidy, mafaitra koa
Ka mila tsy ho zaka intsony
Nefa na dia izany aza ny fangatahako Aminao
Dia aoka ny sitraponao anie no hatao
Satria Ianao no efa nanome toky ahy
Hoe ny zanako , ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko Hoy Ianao
Ka resinao lahatra aho
Noho izany hanaraka Anao aho
Ary hankato izay anatra efa nomenao ahy

  Tsy ho kivy intsony aho fa manana Anao
Tsiky dia ampy Manohana ahy raha sendra lavo aho
  Nampahery koa,  sady nanoro izay tokony ho natao
  Tsy hitomany intsony aho fa satria tianao
  Ary ianao tsy hamela ahy ho irery
  Anatin'ny ady mahamay sy sarotra

Satria Ianao no efa nanome toky ahy
Hoe ny zanako , ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko Hoy Ianao
Izany no tsy mahataitra ahy intsony
Ny amin'ireo mpanenjika ahy
Satria ianao mahalala izay hiheverana ahy

    Tsy ho kivy intsony aho...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny tsantan'ny famonjena
Mpamaky : 160
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Fanaja Mandranto
Tamin'ny : 13/03/2017 10:52:17
ID : 9233

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo