Tsy ho kivy (Ny tsantan'ny famonjena FJKM Ambohidroa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo o! esory amiko ity kapoaka ity
Fa tena mangidy mafaitra koa
Ka mila tsy ho zaka intsony
Nefa na dia izany aza ny fangatahako Aminao
Dia aoka ny sitraponao anie no atao
Satria Ianao no efa nanome toky ahy
hoe ny zanako,ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko hoy Ianao
Ka resinao lahatra aho,noho izany hanaraka anao aho
Ary hankatò izay anatra efa nomenao ahy

REF:Tsy ho kivy intsony aho
Fa manana anao
Manohana ahy,raha sendra lavo aho
Nampahery koa,sady nanoro,izay tokony ho natao
Tsy hitomanu intsony aho
Fa satria tinao,ary Ianao tsy hamela ahy ho irery
Anatin'ny ady mamay sy sarotra


Satria Ianao no efa nanome toky ahy
hoe ny zanako,ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko hoy Ianao
Izany no tsy mahataitra ahy intsony
ny amin'ireo mpanenjika ahy
Satria Ianao mahalala izay hieverana ahy


Ref:.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny tsantan'ny famonjena FJKM Ambohidroa
Vangy : 1026
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : robson.diamondra
Daty : 07/04/2016 16:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735