Tsy androany ihany (ft Meizah) (Ny Toky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FIV :
Sambatra aho anilanao
Fihino mafy ihany raha sitrakao
Fa androntsika roa androany
Ho ventesiko hatrany hatrany
Tiako ianao tsy androany ihany
Mandrakizay aho efa anao

NY TOKY :
Mitsingerina androany
Ilay fotoanan-tsika roa
Nitambarana ho iray
Ilay fitia tao am-po

Tsy niova ilay fitia
Tsiaro ireo taloha
Ilay fitsikinao iny
Nambabo ahy tokoa

Bridge :
Fa tsy androany ihany
No tiako ho tsapanao
Fa tiako ianao

MEIZAH :
Na sorena ianao na faly
Tsy miala anilako
Na mangidy na mamy
Feno anao ny fiainako

Ilay voady ho doria
No tanjontsika roa
Ireo porofom-pitia
Nambabo ahy tokoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Toky
Vangy : 6617
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 28/02/2016 13:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718