TOA NOFINOFY (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Toa nofinofy tsy misy fiafarana koa
izao fiainana eto izao
Toa fiadanana daholo izay jerena
ka tandremo sao mamitaka anao
Rendrarendra sy filàna dia ho hita
izay tsy ho voatanisa
Toa nofinofy izao fiainana eto izao,
mitandrema izaho sy ianao

Fiv: Fiadanana; itadiavany anao izao
Fahasoavana; itadiavany anao izao
Jesoa no lalana sy fahamarinana
natokana ho anao
2- Ianao mahita izay lalana alehanao,
amin’izao andro izao
Na ho soa na ho ratsy ts’isy tery
f’izay sitraky ny fonao atao
Mba banjino ihany ny hazo fijaliana,
nitondrany fahoriana
Ianao mahita ny alehanao
mitandrema izaho sy ianao

Fiv:(2 fois)

RATSIMBAZAFY Nirison Rivoniaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny salohy
Vangy : 1923
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 27/08/2002 09:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727