FALY SY RAVO (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv. : Faly sy ravo ny foko
Mihira ho Anao Jeso
Misinda ho azy ny toloko
Raha miaraka aminao

1) Tamin’ireo fahoriako
No niantsoako Anao
Ka namalianao ahy
Nampitonianao ny fanahy, ka

2) Amin’ireo fakam-panahy
Mitaona ahy ety
Miady mafy ny fanahy
Soa fa eo Hianao Jeso tia, ka

3) Amin’ny fiainako rehetra
Raha tafasaraka Anao
Dia tsaroako manjoretra
Tsy mahavita ny atao, ka

Rabarijaona Andrianaina Robdera
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny salohy
Vangy : 2607
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 08/08/2002 12:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1107