DADA, NENY, NAMAKO (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Azafady aho ry dada raha toa ka hiteny
Fa sao diso làlana ianao
Variana manjeny eny rehetra eny
Dada ô! Diniho sy zahao
Fa ity fisotroana sy fodiana hariva
Ny filokàna sy ny haditràna
Ndrao tara re, ny andro madiva
Diniho re ny lalana hombana

Miantso aho .... andao
Ilaozy ity lala-mitondra fahoriana e!
Miantso aho ..... hibebaho
Amin'ny Tompo, Tompo eo amin'ny hazofijaliana
Fa mbola tsy tara raha toa ka anio
Dada ô! ... miantso anao Jesosy anio.


2 Miala tsiny aho ry neny raha toa ka hiteny
Fa mandeha irery mankany am-piangonana
I dada, ny ankizy ; aiza izy ireny
Taomy re ny ankohonana
Fa izato ianao toa tia tena loatra
Manompo ny Tompo, mivavaka irery
Mamboatra lalana ho any an-koatra
Ny ankohonana aiza ry neny?

Miantso aho .... andao
Taomy daholo ny ao an-tokantrano
Miantso aho .... hivavaho
Mba ho mpino hanara-dia anao

Ka ny vaovao mahafaly re mba zarao
Neny ô! .... dia ho sambatra ianao.


3 Azafady aho ry namako aleo aho mba hiteny
Fa sao hanenenako izao
Impiry, impiry Jesoa niteny
Mandalo izao fiainana izao
Fa ity rendrarendra sy ny haditràna
Ny laingalainga sy fitaka lava
Ndrao re variana manao hadalàna
Ny fahavalo anie ka tena mandrava

Miantso aho .... andao
Manolora tena, aza miandry andraso
Mivavaka aho .... ho anao
Miandry Jesoa fa topazo maso

Fa ny tena tsara dieny anio
Sokafy ny fonao anio
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny salohy
Vangy : 766
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njara2
Daty : 13/11/2018 10:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716