You are here: home > Tononkira > Ny ravin'oliva

Nangoraka (Ny ravin'oliva)

Nangoraka izao fahoriana izao
Fa ny be fitia
Ka naleony nandao lapa
Dia nidina tety

Tonga teo amin'ny Azy Izy
F'ireo tsy nety nandray
Ka naleony nandeha nitady
Toeran-kafa indray
(Izaho ve anisan'izany?)×2

Nangoraka izao fahantrana izao
Fa ny fo mbola tia
Ka naleony nandeha niady
Hitady ilay nania

Tongatononkira.serasera.org teo amin'ny Azy Izy
F'ireo tsy nisy nandray
Ka naleony nandeha nitady
Toeran-kafa indray
(Izaho ve anisan'izany?)×2

Nangoraka izao fijaliana izao
Fa ny fo tena tia
Ka naleony namoy ny ainy
Ho an'ilay nania

Tonga teo amin'ny Azy Izy
F'ireo tsy nety nandray
Ka naleony nandeha nitady
Toeran-kafa indray
(Moa ve mba rariny izany?)×4

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ravin'oliva
Mpamaky : 255
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : tolotra23
Tamin'ny : 27/12/2017 10:36:20
ID : 10240

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo