You are here: home > Tononkira > Ny ravin'oliva

Aiza no misy (Ny ravin'oliva)

Aiza no misy
Toerana sambatra no sady maharitra
Aiza no aleha
Raha manjombona ny ety toa fasana

Izao tontolo izao dia mamitaka
Hitondra anao any am-pasana
Izay lasany any tsy mba miverina
Koa tsy aleoko ve,koa tsy aleoko ve tsy mandeha

Aiza ilay sandry
Mba hamikirako raha sendra tafiotra
Aiza ilay feo
Mba hampionona ahy raha avy izay manjo

Mba ho mpandresy sa hitolefika
Amin'ny adin'ny fiainana
Ka ho tafita sa dia ho rendrika
Potraka an-dalana,tsy afa-Tsiky dia ampymiarina fa babo

Raha mitomany ianao
Aza misento fa ho avy ny tomponao
Raiso ny valia sy ny gitara
Ka asandrato ny hiranao

Moa efa akaiky sa mbola lavitra
No hitsaharan'ny diako
Ka handovako ilay tsara lavitra
Jerosalema soa,tany sy lanitra vaovao

Ny eto antany
Tsy ho ela intsony izao dia ho atao fandrehitra
Ny afon'ny Avo
Tsy mba ho faty fa handoro ilay satana

Ny ranomasonao dia ho foana
Ny alahelo tsy hisy koa
A/tra ao hanazava anao
Ka dia ho sambatra,eny ho sambatra ho doria

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ravin'oliva
Mpamaky : 471
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : tolotra23
Tamin'ny : 27/12/2017 10:35:53
ID : 10241

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo