TSY HAIKO TOMPO (Ny Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy haiko Tompo ô ny miaina lavitra Anao (2)
Raha tsy eo anilanao aho mitaraina
Tsy hita izay atao (2)
Fa … resy

Ka aiza indray aho no hila Famonjena
Raha reraka ny tena (2)
Aiza intsony aho no hiantoraka
Raha sendra trotraka ka mila ho potraka

Maro fahavalo anie ity tany izay diaviko ity (2)
Be fakam-panahy mandavo sy manembana ny dia
Izany indrindra no hilako Anao Kristy ô,
Tantano re sao dia sanatria mikodia
Izany indrindra no itadiavako Anao, hiaro ahy,
Tsy ho voasemban’ireo fakam-panahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Mpitory
Vangy : 4501
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 21/09/2002 15:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748