Tany sy lanitra (Ny Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tany sy ny lanitra miara-mankalaza
Ny voninahitrao Andriamanitra Tsitoha.
Ny foko manontolo na dia tsy mendrika aza,
Mba te hidera anao tokoa tokoa.

Tsy haiko ny hangina tsy hisaotra Anao
Fa notantananao ny diako hatrizao.
Na ny noheveriko fa tendry mahamay
Ka nila tsy ho tantiko tokoa indraindray
Na ny noheveriko fa soa efa voaray
Dia samy hiderako Anao mandrakizay.

Ny onjan-dranomasina aza mbola ahitana
Ny voninahitrao Andriamanitra Tsitoha
Koa na mahery aho na reraka sy hana,
Dia mbola hidera Anao tokoa tokoa.

Fa ny fiainana miakina aminao
Tsy mahalala fatiantoka hatrizao.
Ny onjam-piainana aza raisiko ho ahy
Hamelombelon'aina sy hanainga ny fanahy
Mba hananako finoana sy hanala ahiahy,
Dia hiderako Anao Tompoko tia ahy.

Ireo voahary manontolo samy mba midera
Ny voninahitrao Andriamanitra Tsitoha.
Ny fiainako rehetra na mila hianjera,
Dia mbola hidera anao tokoa tokoa.

Tsy misy hay kihanina ireo asanao
Fa ny minia mikimpy no te hanindao.
Na ny fivelatry ny voninkazo soa,
Ny kalokalom-boronkely, kanto avokoa.
Na ny ritsoky ny rano mikoriana aza moa
Dia hiderako Anao ry Tompoko Tsitoha.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Mpitory
Vangy : 2146
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 13/09/2018 23:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.256