Mpandresy (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa ny Tompo tia dia mampanantena FANDRESENA,
‘Zay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
MPANDRESY ianao raha toa maharitra,
mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena FANDRESENA,
‘Zay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena

1-MPANDRESY no iantsoana anao mpanara-dia
Sy mpiara-dalana amin’i Jesoa Tompo tia
Satria dia Izy mihintsy no nampanantena
Fa atolony sy omeny anao ny fandresena
MPANDRESY no iantsoana anao mpanara-dia
Sy mpiara-dalana amin’i Jesoa Tompo tia
Satria dia Izy mihintsy no nampanantena
Fa atolony sy omeny anao ny fandresena

Ref: MPANDRESY ianao raha toa maharitra,
mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena FANDRESENA,
‘Zay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena

2-MPANDRESY no anarana hisaloranao
Ry mpino an’Andriamanitra, ry olom-baovao
Tsy andevon’ny ota intsony fa olona madio
Tena MPANDRESY ianao ka mifalia anio
Fa Jesoa tena tia mbola mampanantena
Anao hatrany hatrany,mba hahazo Fandresena
Fa tena mila anao mijoro tsy mirona,
Miorim-paka tsara, manana FINOANA

Ref: MPANDRESY ianao raha toa maharitra,
mizotra amin’ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena FANDRESENA,
‘Zay manara-dia Azy ka mijoro tsy mivena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Vangy : 16397
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 09/03/2016 10:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782