Mamafaza (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamafaza, mamafaza
Na dia tsy fantatra aza
Fa ny voa ombam-pinoana
Tsy mba matimaty foana

‘Lay Tomponao mahery
Tompo mahery
Mbola vonona hijery
Miasà k’aza malaina
Izay hafafy no njinjaina
Izay hafafy no njinjaina

Mamafaza, voa hatrany
Mamafaza, voa hatrany
Raha mbola ety an-tany
Fa hadinina hatrery
Izay rehetra vitanao tety

‘Lay Tomponao mahery
Tompo mahery
Mbola vonona hijery
Miasà k’aza malaina
Izay hafafy no njinjaina
Izay hafafy no njinjaina

Mamafaza, mamafaza
Na dia tsy fantatra aza
Fa ny voa ombam-pinoana
Tsy mba matimaty foana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Vangy : 2206
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ny Koraita08021947
Daty : 09/03/2016 13:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08