Mahefa (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahefa ny zavatra rehetra anie Jesoa
Manafaka izay mampahory ny saina
Ny olana maro, ny ratran’ny fo
Sy ny adin’ny fiainana mandreraka aina

Mahefa ny zavatra rehetra anie Jesoa
Manafaka izay mampahory ny saina
Ny olana maro, ny ratran’ny fo
Sy ny adin’ny fiainana mandreraka aina

Tsy misy mahasakana izay fandaharany
Rehefa izy no miasa tsy maintsy mahefa
(ny devoly aza) ny devoly aza vao mandre ny anarany,
Dia torakovitra lasa milefa!

Tsy misy mahasakana izay fandaharany
Rehefa izy no miasa tsy maintsy mahefa
(ny devoly aza) ny devoly aza vao mandre ny anarany,
Dia torakovitra lasa milefa!

(Aza manahy fa ny Tompo no itokiana)
Aza manahy fa ny Tompo no itokiana Aza mba kivin’ny zava manjo
(Ireo fikasana sy zavatra tiana, ento ka lazao azy avokoa)
Ireo fikasana sy zavatra tiana, Ento ka lazao azy avokoa

Fefeo ny adin-tsaina mandom-baravarana
(ka vavaka no aoka) ka vavaka no aoka hiloatry ny vava
Ny Tompo no aoka ho voalohan-daharana.
Ka ny aizin’ny senton’ny fo dia hisava

(Aza manahy fa ny Tompo no itokiana)
Aza manahy fa ny Tompo no itokiana
Aza mba kivin’ny zava manjo
(Ireo fikasana sy zavatra tiana, ento ka lazao azy avokoa)
Ireo fikasana sy zavatra tiana, Ento ka lazao azy avokoa

Fefeo ny adin-tsaina mandom-baravarana
(ka vavaka no aoka) ka vavaka no aoka hiloatry ny vava
Ny Tompo no aoka ho voalohan-daharana.
Ka ny aizin’ny senton’ny fo dia hisava
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Vangy : 1859
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 09/03/2016 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836