Lalan-tsara (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

Lalana mankaiza no izoranao?
Mpivahiny oh, diniho sy lanjalanjao!
Moa ilay lalan-tery izay mankany amin’ny Ray?
Sa ilay mikodana mahavery fanahy

Tsy aleo ihany ve?misafidy dieny izao , lalan-tsara izoranao
Mba hahatonga , hanao handova , ilay fiainana mandrakizay
Tsy aleo ihany ve? Misafidy ny mandeha Miara-dalana , amin’ilay Tsiky dia ampyTomposoa ah!!!

Koa mandrosoa ianao anio ka mizora
Mba hanaradia, ilay mpamonjy mora
Dia ho azonao tokoa ilay PARADISA
Miaraka amin’ireo Mpino analin-trisa

Tsy aleo ihany ve?misafidy dieny izao , lalan-tsara izoranao
Mba hahatonga , hanao handova , ilay fiainana mandrakizay
Tsy aleo ihany ve? Misafidy ny mandeha Miara-dalana , amin’ilay Tomposoa ah!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Mpamaky : 809
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Faliana2402
Tamin'ny : 09/03/2016 13:55:48
ID : 8142

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo