Antsoy Jesoa (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

1- Raha sendra ny ady mafy,
Mandrotsaka tomany;
Ka na ny atoandro aza,
Toa alina ihany.    
Tsy maintsy mitanondrika,
Fa nofo, fa nofo ihany moa e!
Nefa mitrakà, aza mamoifo.

                Réf: Antsoy Jesoa, Antsoy Jesoa e!
         Hampitony haingana ny fo;
         Antsoy, Antsoy Jesoa, Hampilamina indray,
         Ny alahelo nanjo, sy ny sento nahamay,
         Izao, dieny izao Atononkira.serasera.orgntsoy Jesoa!

2- Tsy mbola nisy Tompo,
Nandà tsy nihaino anao;
Onena koa ny Fony,
Raha mitomany ianao.  
“Malala eo Imasony
Ianao”, ianao fa tadidio e!
Ka antsoy Izy, anio dieny anio.

                Réf: Antsoy Jesoa, Antsoy Jesoa e!
         Hampitony haingana ny fo;
         Antsoy, Antsoy Jesoa, Hampilamina indray,
         Ny alahelo nanjo, sy ny sento nahamay,
         Izao, dieny izao Antsoy Jesoa!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Mpamaky : 21491
Mpakafy : 5 Ankafizo
Nampidirin'i : Faliana2402
Tamin'ny : 09/03/2016 09:16:33
ID : 8137

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo