You are here: home > Tononkira > Ny Avo

Voady (Ny Avo)

Ref:
na enjehina aza tsy hivadika aminao
na dia somparana aza tsy hisaraka aminao
ninoninona hanjo
Ianao no tokiko
hitia sy hanompo anao aho mandra-piala pofon'aiko
hitory ny hatsaranao sy ny asanao ry Raiko

izao voadiko izao Jeso
ambarako aminao
na ory na manana aho
hitoetra fa tsy handao
fa efa voatendrinao
hanatanteraka ireo asanatononkira.serasera.orgo
naniraka ahy ianao
indro aho fa vonona

ref:...

na dia be mpakahala aza aho
tsy ahoako fa aleo ho any
na hoatositosika aho
tsy mba hilofika
miroso hatrany ny dia
ny hoe hihemotra dia sanatria
na hamoizako ny aiko aza
tsy hiverin-dalana aho

ref:...

na ho fisedrana mafy
na ho fitsapana mahamay
dia vonona aho hihafy
tsy hivadika mandrakizay

ref:...

ref:...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Avo
Mpamaky : 18189
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : Mirindra51
Tamin'ny : 01/11/2013 19:02:21
ID : 6399

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo