You are here: home > Tononkira > Ny Avo

Vita sedra (Ny Avo)

Efa nandalo teo daholo
Ireo fahoriana sy fijaliana
Fa toa tsy mahataitra ahy intsony izany
Fahantrana sy tsy fisiana.
F'izaho mbola eto ihany,
Mijoro hatrany
Satria ny Andriamanitro tsy hampitondra ahy
Izay tsy zakako izany.

Ref:
Na inon-kidona na inon-kiatra
Izaho mbola hitraka
Na hisesisesy hamely aza ny ady
Izaho efa zatra
Ny afon'ny finoako tsy ho faty intsony,
Fa hiredareda
Ho porofo izany f'izaho dia mpanompo efa vita sedra.
............................
Lasa nandao ihany koa
Ireo olona akaiky Tsiky dia ampyny fo
Noesorina tamiko avokoa izay
Kely mba fananako
Izaho mbola eto ihany,
Mijoro hatrany
Satria ny Andriamanitro tsy hampitondra ahy
Izay tsy zakako izany.

Ref: ....................... (x2)

...............................
Na n'inona n'inona hangeja,

Izaho efa vita sedra.

Na inon-kidona na inon-kiatra
Izaho mbola hitraka
Na hisesisesy hamely aza ny ady
Izaho efa zatra
(Ny afon'ny finoako tsy ho faty intsony,
fa hiredareda.)
Ho porofo izany f'izaho dia mpanompo efa vita sedra.

(Izaho dia mpanompo)

Efa vita sedra........

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Avo
Mpamaky : 346
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 18/12/2018 22:08:48
ID : 11220

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo