You are here: home > Tononkira > Ny Avo

Ianao foana no hiraiko (Ny Avo)

(V) Hasambarana mamy,
Fiadanana hatrany,
Ny manompo Anao,
Manome hafaliana tsy mety lany.

(L)Mampisava halahelo,
Mandrava tomany,
Hifikitra mafy aho
Ry Tompo malala
Ka tsy hisalasala (Fa)

Ref:(V.L) Ny fihevitrao tsy haiko,
Tsy takatry ny saiko,
Ka na hiala aza ny aiko,
Ianao foana no hiraiko.
Fitantanao tsy haiko,
Tsy takatry nyTsiky dia ampy saiko,
Ka na hiala aza ny aiko,
(Ianao)*3 foana no hiraiko.

(V) Ianao mahalala ,
fiheverana tsara,
Tsy hitondra loza,
fa fiandanana Mandrakizay.

(L) Porofoiko ato am-poko,
F'Ianao no tompoiko ee,
Ka na hakahalaina sy latsalatsaina ,
Aza aho tsy hangaina (Fa).

Ref:
(L) Ka n'aiza n'aiza no hitondrao ahy.
(V)izaho hatoky Anao tsy mba hiahiahy ,(fa).

Ref:*2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Avo
Mpamaky : 3368
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Njarayianto
Tamin'ny : 20/01/2018 21:34:16
ID : 10290

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo