You are here: home > Tononkira > Ny Avo

HO AIZA (Ny Avo)

Hizotra andeha ho aiza moa ny lalanao
Rehefa miala ety
Moa efa fantatrao ve
Izay mety hiafaran'ny fanahinao
Satria lazaiko anao fa ho avy tsy ho ela
Tsy ho ela ilay fotoana
Izay efa voambara natokana hitsarana
Ny ratsy sy ny tsara

REF;
Ho aiza ary ianao
Ho rendrika ve sa hiakatra
Miomana ianao
Miomana fa mbola tsy fantatra
Raha be ny adalana
Sy ny ota efa vitanaotononkira.serasera.org hatrizay
Tsy ho very ianao fa ndeha mibebaha
Izao anio izao

Zovy moa ianao no tsy mba manantena
Hahazo famonjena
Sa fanirianao ve?
Ny hijaly sy ho voageja ho mandrakizay
Satria lazaiko anao fa ny olo-marina
Ihany no vonjena
Fa ny olon'i satana sy ireo forongony
Dia afo no anjarany

Ref: .......
..................................
Ref: .......

Tsy ho very ianao fa ndeha mibebaha
Izao anio izao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Avo
Mpamaky : 1425
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : RojoNyAvo
Tamin'ny : 02/08/2016 13:25:48
ID : 8749

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo