You are here: home > Tononkira > Ny Avo

Adidiko (Ny Avo)

Zanako asan’ny tanako,
Moa ve tsy efa nilaza izany aho
Nahoana ianao no miondrika,
Mandany ny herinao
Amin’ny ranomaso sy ny ahiahy. (x2)

Aok’izay avia eto an-tratrako
F'izaho anie ka efa ela no niandry anao
Tsy ho fandatsana ny antsoko avia re modia
Adidiko ianao, izaho no nanao anao
Avia zanako.

Zanako izay nolazaiko anie
Tsy misTsiky dia ampyy tsy ho toa ka faingana re
Tsy tantiko ny mahita anao
Anaty fahoriana
Sy be fanahiana amin’ny hoavinao.

Fa indray mipi-maso monja no nahafoizako
Ny ditranao io ihany anie no nandaozako anao
Inty aho ka avia fa aza miahiahy
Tsy adinoko ianao, izaho no nanao anao
Avia zanako
Fafako ny helokao, izay vitanao
Avy zanako
Hanariko ianao amin’ny rariny
Satria zanako.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Avo
Mpamaky : 283
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 11/07/2018 08:23:03
ID : 10720

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo