Kidaombaramita (Ny any aminay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ela niandrasana izahay
Misehoa misehoa re ry lahy
Midira, midira ny akanganay
Mandrosoa fa aza manahy

Izaho sy ianao raha tonga aty
Dia ny antony, ity Tanindrazana
Hifamatotra isika hifankatia
Ka tandremo mifanava-kavana

Isika dia rano sy vary
Efa fantatra misalasala
Raha ny marina tsy hifanary
Samy terak’ity Gasikara

Izaho sy ianao raha tonga aty
Dia ny antony, ity Tanindrazana
Hifamatotra isika hifankatia
Ka tandremo mifanava-kavana

Kidaombaramita kidaombita
Mivondròna ary koa misikina
Hanondrotra ity Tanindrazana
Itoeran’ireo hava-tiana

Raha tiana ary ilay nihaviana
Dia ny fo no aoka hiasa
Miramirana feno hafaliana
Fitiavana enti-mikasa

Tandremo ny kivy ambony ihany
Samia miezaka hatrany
Tanindrazana re no banjino
Ka ny dinam-pitiavana no amafiso

Izaho sy ianao raha tonga aty
Dia ny antony, ity Tanindrazana
Hifamatotra isika hifankatia
Ka tandremo mifanava-kavana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny any aminay
Vangy : 1640
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/10/2018 12:09
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116