Somambisamby (Ny Antsaly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Somambisamby re, irony diavolana
Maizin-takariva re, mba aiza izay havako izany
Mba hitanao va re, sao mba tsinjonao
Atoroy làlana aho mba hizorako any.

Eny re,
Ny ditrako omaly, tsy rofiko intsony
Ny haja fanao, tsy avelan’ny ray
Mifona anieaho, mivalo anie aho
Rahavako
Ah ny masony anie ka masom-boromailala
Ah ny fitsikiny anie ka tsy azon’arivo
Handeha isika hody r'isekely
Harivariva ny andro.

Hihazakazaka anie aho, hoarahin-tosika
Sanatria izany re, tsy hanaiki-dresy aho sombinaina
Fa hody any anie aho, ka hifonako any
Hody any anie aho, ka tsy hanin-droa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antsaly
Vangy : 2977
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/05/2016 20:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716