Mihevera (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Maro ireo voafitaka etsy sy eroa
Tsy mahalala izay tokony hatao
Tsy amin’ny fo madio sy saina vonona
No andehanany ao am-piangonana

Ao koa ireo manao vonjy tavan’andro
Tsy marisika amin’ny tokony atao
Mivava-bava poana, tsy mandeha raha tsy hanao
Fety, Krismasy, taom-baovao

Fiverenana:
Mihevera tena ianao
Ialao ireo toetra ratsy fanao
Tandremo fa ny Tompo anie mahita anao
Ny vavaka tsy atao kilalao

Fa mbola tsy tara ianao
Raha miova làlana tsara sady vaovao
Havaozy indray ny fanoloran-tenanao
Fa izany no ilainy aminao

2-Fantatro fa tena sarotra aminao
Ny miala amin’ny efa fanao
Tsarovy fa ny TOMPO anie dia tsy mba mandao
fa vonona IZY handray anao

Aza dia manahy na matahotra ianao
Ny hanatona Azy anio izao
(Fa) na mena toy ny jaky aza ny fahotanao
Hofotsiny toy ny oram-panala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSAFIA
Vangy : 1433
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NYANTSAFIA
Daty : 18/11/2017 08:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078