EFA VOALAHATRAO (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô ny hatanorako
Entiko hanompo Anao
Ka ny foko, eny ny aiko
Dia atolotro ho Anao tokoa

Na mandeha aho na mitoetra
Tsy hisaraka Aminao
Ny androm-piainako rehetra
Hanambarako ny hafatrao

Réfrain:
Satria Ianao,
No nitantana hatr’izay
Ny ho aviko eo am-pelatananao
Jesosy o! (JESO Ô) ny havelomako efa voalahatrao

Satria Ianao,
Ilay nitahy hatr’izay
Ny heriko ampombay ny herinao
JESO Ô ny havelomako
Entiko hanompoana Anao

2.Na maraina na hariva
Tompo ô irao aho
Hanefa sy hamita
izay efa voasoritrao

Ny Fanahy masinao
Tompo ô ny hitarika ahy
Ny ràn’ny Zanakao
Anadio sy anafaka ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSAFIA
Vangy : 1299
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NYANTSAFIA
Daty : 02/10/2014 12:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1192