Andao (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N’iza n’iza tamintsika tsy nisy tsy nahalala
Hoe nisy paradisa soa izay tany am-piandohana
Fa na ny olon- kendry izy io na bodo sy adala
Tsisy tsy nahafantatra an’i eva sy adama

Dia nivadika ny rasa taty aoriana
‘Lay saha edena tsara dia potika ary simba
Ilay fiadanana iny toa lasa fihafiana
Mandra-kakehitriny dia voazimbazimba

Ka andao, andao andao e !
Hamerina indray ilay rava tamin’izay
Andao, andao andao e !
Hilaza hatrany hatrany, ilay fitia tsy mety lany
Andao, andao andao e !
Hanova ny tantara, hitory ny filazantsara

Niroso ny fotoana, niova koa ny pejy
Nidina tety indray ilay Jesosy izay
Nizara ny fitiavany, nanao izay mety
Kanefa dia indrisy, tratran’ny antsonjay

Dia nohesohesoina izy io sy nammpahoriana
Nitondra ny tsy zaka, nisotro ny mangidy
Nilanja sy nibata ilay hazo fijaliana
Voairak’izy moa, ka tsy tompon’ny safidy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSAFIA
Vangy : 1342
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NYANTSAFIA
Daty : 18/11/2017 08:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2221