Sarotra (NY ANTSA Voix Foi Louange)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarotra fantarina
Ivelany ianao
Fa ny fonao ihany
No hilaza amin'ny Ray
Ny momba anao
Sarotra fantarina
Ivelany ianao
Ny mba azoko atao
Dia hiteny aminao
Ny any amparany any
Izay tsy maintsy hisy
Fantany avokoa
Ireo izay lasa taloha

Fa ny tena hita ombieny
Dia mila hariana ho very
Ndao ianao raha toa nania
F'efa miandry i Kristy

Raiso Izy, aza avela
Raha tsy tahiny ianao
Ifikiro Izy amin'izay handresy ianao
F'Izy no ilay tsy mba mandao

Sambatra izay manana Azy
Ka tsy mety mamadika

Raha mba misy fitsapana

Sanatria raha hiala an-daharana aho
F'Izy indray ary no mahery

Tsy mba hita eny amin'ny endriny
Izany hoe kivy
Fa mitsiky na dia sarotra
Ny andin-tsainy tsy tsikaritra
Dia toa tazako eo
Eo an-tsandrinao eo
Sahady Jeso ilay namako

Soa ihany Ianao
Fa efa ity fananako
Ka tsy maintsy ho tanako
Dia hiara hiriaria izahay
Am-paradisanao, tsy misy ahiana intsony
Fa lafatra ny any
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSA Voix Foi Louange
Vangy : 894
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : feaina
Daty : 25/07/2018 13:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1964