You are here: home > Tononkira > Ny Angola Fiderana

Raiso ilay famonjena (BaGasy) (Ny Angola Fiderana)

Ry voavonjy ô jereo (jereo)
Izao famonjena izao
Fa Jesoa zanak'Andriamanitra
No efa nisolovoina anao
Ny ainy mihitsy no nafoiny (nafoiny)
Ho fanavotana anao
Fa nentiny tokoa ireo helokao
Noho ny fitiavany anao


Koa asandrato re izao
Koa asandrato re izao ny hiranao mba (beso)
Ho fideran'ilay Mpamonjy
Ilay Mpamonjy izay nitondra ny otanao (beso)
Ka mifalia sy mihobia
Fa avotra, avotra ianao
Ka mTsiky dia ampyifalia (beso)
Ka mifalia sy mihobia
Fa avotra ianao izao

Ry voavonjy ô avia; andeha re derao.
Andeha, derao, ilay nisolo voina anao
Avia raiso (beso), raiso izao
Ny famonjena ho anao

Andeha re ambarao
Manerana izao tontolo izao
Ilay famonjena sy fandresena
Izay vitan'Ilay Mpamonjinao
Koa dia torio ilay fitiavany
Amin'ny olona rehetra
Ny haja sy ny voninahitra
Ho Azy re tsy misy fetra.

A/C: Rado Mihamina RABEMANANTSOA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Angola Fiderana
Mpamaky : 121
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : SantatriniainaAvotra
Tamin'ny : 08/08/2018 21:16:48
ID : 10859

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo