Veloma ry sakaiza (Ny Alon-drano)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miaramila maromaro notendrena izahay
Hihaza ny dahalo tany andrefan'i Sakay
Ilay sakaiza tiako, tena mamiko tokoa
Voatifitra ka lavo tsy nifoha

Veloma ry sakaiza
Matoria mandrakizay
Ho tsaroako n'aiza n'aiza
Ny fiarahantsika hatrizay

Raha tonga soa aman-tsara any an-toby aho izao
Dia samy hilazako ireo namantsika ao
Hambarako tokoa azy ireo ry Rahalahy
Fa lavo tamin-kasahiana ialahy !

Ary hatrany Manakara ka hatrany Ambilobe
Hatrany Manalalondo ka hatrany Antsirabe
Dia samy hilazako avokoa ny rahalahy
Fa lavo tamin-kasahiana ialahy.

Veloma ry sakaiza
Matoria mandrakizay
Ho tsaroako n'aiza n'aiza
Ny fiarahantsika hatrizay.

Raha tonga any an-tanàna hilazako i Volasoa
Fa efa vita dina ny anareo roa
Raha tonga avy aty dia saika hatao ny raharaha
Kanefa tsy niverina ialahy.

Veloma ry sakaiza
Matoria mandrakizay
Ho tsaroako n'aiza n'aiza
Ny fiarahantsika hatrizay.
--------
Rohy:
Hevitra
Nanih_Raz ( 07/12/2021 14:44)
Tena mbola kely aho no efa henoko ity hira ity ary dadatoako Randrianirina Lucien Bernard (efa maty) no nanoratra ny sasany amin'ny hiran'ny tarika Ny Alon-drano. Raha mba misy manana ny hiran'izy ireo anie dia mba iangaviako mba hilaza ahy fa mitady fatratra aho. Misaotra indrindra dia mirary soa daholo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Alon-drano
Vangy : 7312
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/01/2021 16:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072