RESY NY FASANA (Ny Ako)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tafatsangana tamin’ny maty Jesoa ka dera Aleloia
Ny fahafatesana resy tokoa ka dera Aleloia
Tsy nahazona tao na ny fasana na ny rangolahy
Fa Mpandresy Jesoa ka velona dera aleloia

Nihevitra mihintsy ireo tsy nahalala
Ka nenenjika Azy ary koa nankahala
Fa ny famonoana Azy no handravany
Izay mety ho lazany tety an-tany
Nohomboina Izy ohatry ny hoe tena resy
Ka maty kanefa andro telo nisesy
Dia zava-mahagaga iray no niseho
Vaovao mahafaly ho antsika zareo

Tena velona Jesoa ary eto Izy anio
Afaka hamonjy ary koa hanadio
Ny fiainana rehetra izay mety efa levon’ny
Asan’ny ota efa mandevim-belona
Tena Andriamanitra mantsy Jesoa
K’izay manaiky sy mino tokoa
Dia tena ho afaka, ho olom-baovao
Tsy miandry ampitso f’izao dia izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ako
Vangy : 1031
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MieAndry
Daty : 01/12/2015 13:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843