NAHOANA NO TSY ANIO (Ny Ako)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanan’Andriamanitra indro asesim-pitiavana
No mitsotra aminao fa te hanolom-pamonjena
Hanampy anao hiala amin’ny fatoram-paharatsiana
Dia tsy hamaly ve ianao fa hoe mbola isaina

Andriamanitra, sakaiza tsy sasatra ny mitia
Fa handray anao na hoviana no hilaza fa vonona
Ndrao tsy haraina itsony anefa izato ampitsoampitsonao
Ka nahoana no tsy anio, nahoana raha izao

Aza be fangata-kandro ny lalao anie tsy ho lany
Ny Tompo no mihantso anao ka mba mihevera ihany
Rahampitso rafakampitso ve vao hanapa-kevitra ianao
Ndrao tara loatra sakaiza, nahoana raha izao

Andriamanitra, sakaiza tsy sasatra ny mitia
Fa handray anao na hoviana no hilaza fa vonona
Ndrao tsy haraina itsony anefa izato ampitsoampitsonao
Ka nahoana no tsy anio, nahoana raha izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ako
Vangy : 1357
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MieAndry
Daty : 01/12/2015 20:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2576