AZA MANAHY (Ny Ako)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa nihafohy va ny tanan’ny Ray?
Tsia hoy aho, tsia hoy aho
Ny zava-drehetra dia hainy atao
Hamonjena ahy sy ianao

Aza manahy (3) fa matokia
Aza manahy (3) matokia

Ny ranomasina mena aza moa
Nisaraka roa, nisaraka roa
Davida nandresy an’I Goliata koa
Niasa ilay Ray Tsitoha

Aza manahy (3) fa matokia
Aza manahy (3) matokia

Ny noana novokisany, marary nositraniny
Voageja nafahany, ny maty natsangany
Tsy laitra ny heriny, tsy miova ny Teniny
Anontanio ny andro lasa
Fa Izy vonona hiasa

Aza manahy (3) fa matokia
Aza manahy (3) matokia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ako
Vangy : 2105
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MieAndry
Daty : 01/12/2015 13:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731