ZAHO VADINAO (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny fiarahantsika roa tan-dalana iny tsikitsiky, tomany
Oram-baratra iny, alina mangina ô, zaho sy ianao mbola io ihany
Lasa adala anao ny foko tia anao, taratara aminao tsotr’izao
De ny androany androany aho mitsotra an’izany: ZAHO AKY TARA AMINAO
Oooo! Zaho aky tara aminao!

2- Hadalana angamba, alao hitranga izay hitranga, tsy raharahako avelao
N’iza n’iza hiteny hanaratsy eny ho eny, zaho tsy hiala aminao
Na higafy ianao, hampirafy ianao, tsy raharahako izany fa anao
De ny iangaviako sy faniriako: ZAHO CHERI VADINAO!

Ooooo! Zaho chéri vadinao!
O chéri chéri tiako ianao
Mamiko chéri, ahy ianao
Ditranao tsy ahoako fa ny ahy zao ihany: Zaho chéri vadinao!
Tsy hahafoy ahy ianao, ataoko lasa adala,
Hampireveko ianao!
Ooooo! Hampireveko ianao
Oooo! Satria malalako ianao!
Ataoko tsy mahafoy ahy ianao! Lasa adala amiko ianao
Fitiavako io tsy ho lany
Tsy hahafoy ahy ianao na oviana na oviana
Handeha lavitra any hahatsiaro fodiana
Ataoko tsapanao anaty tomany:
ZAHO TIA
Na ho tsiky na ho fihafiana aman-tany
Za mahatanty zay tsy tantin’ny hafa any
ZAHO TIA!

3-Tsisy ahiako daholo ny otanao manontolo, rehefa izaho no vadinao
Milamina ny saiko, tsisy zavatra ilaiko, rehefa izaho no vadinao
Na ho faty rahampitso aho ka tsy ho eto intsony, miala aina mamihina anao
De ny ahy ny mba tiako tsy asianao mpisolo aho
ZAHO IRERY IHANY NO VADINAO…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 1490
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 18/02/2016 09:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714