Veliranon'Iarivo (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
"Misy hafatra tiako ambara ou ou ou ou !
Hafatra ara-tantara e e roy e !
Tiako ... Tiako Antananarivo ."

Na rasaraka lery na Antandroy
Na Antakarana sy Antaisaka
Tonga eto dia tsy mahafoy
Tsara monina tsisy voadaka
Dia ialahy samy ialahy indray ve ?
No hifanjevo hanaiky ho zarazaraina
Handranitana resaka mainty sy andevo
Kanefa samy eto an-tanàna .
Réf: (Tsy ekena) Tsy ekena e e e ! Tsy ekena (2)
Tsy mantsy mijoro (2) Antananarivo
Tsy mantsy mijoro e !
Tsy mantsy mijoro amin'ny firaisan-kina Antananarivo
Ny zanantsika efa miondana Rap
Io ny Casino -ntSinoa sy Karana
Misy tononkira efa mitapy
Dia misosa fa tsisy lalàna
Sao mba tsy ho avotra intsony
Tsy hisy Olomanga ny pokona eto amin-tanàna
Fa revo mirevy amin'ny fiainana janga
Ka ho loza ny antsika ry akama
Ou ! ou ! Antananarivo (2)
Ny tantaran'ny faritany ity e !
Na ny lazan'ireo Olomanga
Very hanjavona leisy lery e !
Ny kolontsain'ny Tabora no banga
Nankaiza ny fasan-dRy Rainandriamampandry
Na ry Rainimboay tsy hita
Ny fasan-dRainiaro aza leisy ry zandry
Teo nolalovan'ny alika
Andafy avaratra sy anaty Rova
Nogafin'ireo matesa faty
Dia nodorany tsisy hisy mpandova
Fa ny valin'io mbola tsy ho tanty
Niara-maty novonoina tamin-dRatsimandrava
Ny marina sy ny mazava
Ny sasany amin'ny taranaka Andriana
Aza leisy dia voatampim-bava
(...) Eh ! Ratsimandrava .
Ny Menalamba aza nanao défi
Sahy maty niaro tanàna
Tsy nanaiky an'i Gallieni e !
Ka dia niady sy nifampitana
Firifiry ny razan'ialahy nojinjaina
Ka matin'ny 47 e !
Dia ialahy indray ve no tsy hanaiky fihovana
Rehefa vita izao fa tsy mety
Réf: (...)
Zanak'iza ireo matin'ny FRS a !
Ny aferan'ireo Kung-fu ?
Mba valio ary koa mandrenesa !
Ràn'iza ilay tamin'ny 10 août ?
Valio ! (2) Aho ry Antananarivo
Nankaiza ireo râ nandrika ?
Dia ho sorona foana ve leisy Lemizo
Ny tary amin'ny tanànantsika ?
Réf: (...)
Ny orinasa mba vitan'ny Gasy
Reharehan'ny autonomie
Dia nakatona hangasihasy
Dia isika no 4-mi !
Nototofana i Betsimitatatra lahy
Ka ny vary Sinoa no mipasy
Fa ny taninbarin'ny razan'ialahy
Natakalo ny Zone Franche
Réf: (...)
NY AINGA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 5691
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 14/09/2016 10:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738