You are here: home > Tononkira > Ny Ainga

Tsy misy toa anao (Ny Ainga)

Ny andro iray tsy maha eto anao;
Mahatonga ahy hihira
Fa iza moa no hoe toa anao
Raha mbola olon-tiana
Ny tantaram-piainako samy irery
Sy ny vavam-bahoaka tsy miery
Fa dia indro ianao ry Tiana
Tena tsapako ny fonao

Tsy misy toa anao tsy misy toa anao
Tsy misy toa anao fa ianao ianao irery
Tsy mTsiky dia ampyisy toa anao raha mbola fitia ê!
Fa zovy n’izan’iza tsy mahavita ê!
Tsy mahavita toy nyn ataonao

Ny foko rehefa nahazo anao
Tsy mila olon-kafa
Ny rehetrarehetra izay nataonao
Am-poko tsy voafafa
Fa mba zovy no mahavita toy ireny
Tsy holazaiko fa aoka ho ahy samy irery
Iza moa no hantenaiko
Amin’izay rehetra mitia?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Ainga
Mpamaky : 22882
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : Marcelle
Tamin'ny : 26/07/2002 13:48:22
ID : 830

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy