TSIARO AZY (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSIARO AZY

OMGUI ...
IANAO NO LASA FA
IREO ZAVA-BITANAO
AO AM PONAY ...
MANDRAKIZAY

Teto ianao dia lasana any
Toa rakotra haizina ny tany
Nandao anay tsy an-kiteny
Mangidy fa zakaina ireny
Ireo toloko sy tomany
Ny hetraketraky ny tany
Zary masoandro mibaliaka
Ireo hakiviana nody hafaliana
Izay fiarahatsika izay e
Ou!ou!ou!ou shalalala

Omgui tsy ho hadinoina e!
Omgui ho am-ponay lalandava
Omgui ireo vazo milay anie
Tsy avelanay ho rava
Omgui izay anaranao izay
Zokinay, tsy afaka am-bava
Omgui ireo hira mampiray anie
Ho vazonay lalandava
Ou!ou!ou!ou!ou!

Na ny teto anivon-tany
Hatrany amorontsiraka any
Ireo ventin-kafatra mafonja
Saina sy fo niara-nanonja
Ireo zava-bita ho tsaroako
Ny hiratsika ho vazoiko
Hafatrafatrao mazana
Asa soa fiantrana
FA TSY KANTO NY TALENTA
RAHA TSY HANASOAVANA NY HAFA
shalalala

Omgui tsy ho adinoina e
Omgui am-ponay lalandava
Omgui ireo vazo milay anie
Tsy avelanay ho rava
Omgui izay anaranao izay , Zokinay
Tsy afaka am-bava
Omgui ireo hira mampiray anie
Ho vazonay lalandava
Ou!ou!ou!ou!

MANDRIA AM-PIADANANA ZOKY MALALA
Omgui tsy ho adinoina e
Omgui am-ponay lalandava
Omgui ireo vazo milay anie
Tsy avelanay ho rava
OMGUI IREO VAZO MILAY ANIE SOUVENIR TSY HO RAVA

RABESAIKY Luc Marie
Sept 2016
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 7088
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 12/10/2016 12:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769