TIANA JULIE (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sipakely tsy foiko indry mahasarom-piaro ahy.
Tsy nampoizina akory ny nifanenantsika dia iny dia izay
Fitiavana mamy aky ny fitiavan-dry ahy
Indry sipakely nanaja tsy mba nampirafy
Tsotra fa tsy mba nigafy
Ny fitiavan-tsika roa tsy mba nisy fetra
Hatramin'ny fahotana masina vita sy ny etsetra etsetra
Fitiavana mamy aky ny fitiavan-dry ahy
Ny 20 taona ndry nomendry hisambarako
Je t'aime aky ry malalako
Ôh! Saingy izao ho'aho ry tiako
Misy malalako izay efa nosafidiako
Mijaly ny saiko ato anaty
Fa izy no taloha mantsy e
Ny fiarahan-tsika tsy fantany akory
Fa ny azy dia hoe mandramaty
Ka ianao tena tiako
Fa izy tsy ariako eo an-tratrako
Mijaly aho ry sipa malalako
Maty aho ry foko adala tsy mampirafy
Fitiavana ity tena mafy

Refrain: Ikala Tiana Julie
(Tiana Julie)
Tena mamiko indry ôh
Ikala Tiana Julie
(Tiana Julie)
Malalako indry ôh
Lasa adala ny saiko aky raha tsy anilan-dry ôh
Ikala Tiana Julie
(Tiana Julie)
Je t'aime aky

Te hiala amin'azy anie aho fa indry manjamanja
Ny fitiavany tsotra mba sao dia hanody
Ka loza ny hitranga
Raha hialana degany izy
Loza aman-tany
Fa izy dia tsotra manaja
Tsy hita hiadivana
Hanody ny fony voafitaka
Ôh! Mitomany aho ry tiako
F'ianao ko tsy foiko fa sipa malalako tiako
Tsy ho zakan'ny foko efa zatra
Ianao eny an-tanan'ny hafa
Bandy tsy an-tsaiko no hitantana anao e
Ianao anefa sipako izao
Ny foko hanambady rapitso
Haratra tomany
Ny sipako sipako ihany
Indry sipako io
De ho lasa vadian'olon-kafa ve?
Tsia dia tsia
Tsy ho zakako

Refrain: Ikala Tiana Julie...

Tena izany tokoa ve ny fon-dehilahy e
Tsy mahasaraka ôh
Tia olon-droa e (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 8623
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Westlove
Daty : 29/01/2015 14:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1065