Te hamangy (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hono akia e ! mba lasalasa saina aminao manontany
Fa andro iray izay tsy ahitana anao
Toa tsaroana ho andro foana re
Ny maraina sy ny alina mangina
Manontany tena foana akia e
Ny ampitso tsy handriko haraina ahitana an-dry

Hono akia e ! Mankaiza moa ny fiafaran’ny lalana iny e !
Mba iriko ho fantarina tokoa
Fandalovanao matetika e !
Fa iny mirakitra isan’andro ireny ventsonao mangina
Mba ho eny aho fa te-hahalala akia ilay tantaran-dry iny e e !
Mba ho eny aho fa te-hahalala akia ilay tantaran-dry .

Te-hamangy anao hatrany
Te-hamangy retsy aho
Izay tiana no tsy mba manahy
Fa ny tia dia maro ahiana e
Oriory ho'aho ny saiko
Te-hiantefa ho any e !

Hono akia e ! mba aiza moa ny ankaninareo avy aty e !
Ilay ankany izay namolavola an-dry
Ilay ambanimbanivohitra e !
Ny ampitso aho hiserana mankany
Mba hamangy harivariva e !
Hakany aho fa mahasondriana akia
Ilay tantaran-dry iny e e !
Hankany aho fa mahasondriana akia ilay tantaran-dry.

Te-hamangy anao hatrany
Te-hamangy retsy aho
Izay tiana no tsy mba manahy
Fa ny tia dia maro ahiana e
Oriory ho'aho ny saiko
Te-hiantefa ho any e !

Eny akia e ! Mba sarotra adinoina tokoa ho'aho ny antsika e !
Iny tsikinao mandroso mankety
Avy ery an-kodi-mirana e !
Ny fonao tsy mahafoy ny tiana
Niaritra ny mafy anie e !
Hamangy aho hametsoventso akia
Ny tantaran-dry iny e e !
Hamangy aho tsy hanadino akia
Hatramin’ny farany!

Sara-tiana tsy hanadino
Tsy hanadino retsy aho
Ny havan-tiana tsy mahalavi-tany
Fa mba manimanina anie e !

O ry alina mangina
Tsy hanadino ireny e e !
O ry volana eny ambony
Tsy ho adino ireny e e !

NY AINGA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 6830
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 14/09/2016 10:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4446