MdJEAN de MATHA (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô ry Ray Andriamanitray
Izay namorona sady nampisy
Faly izahay ka midera anao e!e!
Fa nanangana ilay andrarezinay
Olo-masina sy olo-mahitsy
Nanorina fiainana vaovao e!e!
Namakivaky taon-jato maro
Ilay afom-pitiavana sy fanasin'ny tany
Ny ory sy ireo nandevozina (2)
Nanjary olona afaka avy hatrany

Tsy misy fitiavana sahy manompo
Raha tsy miaina amin'ny fahafahana e!
Tsy maintsy olona afaka sahy mijoro
Izay vonon-kanompo ankalalahana e!
Ka misotra re

Ry olo-Masina Jean de Matha
Ilay andrarezina sy mpanorina
Ry Olo-Masina Jean de Matha
Ianao ilay mpanorina sy mpanafaka
Masina ianao Andriamanitray
Noharinao ho afaka izahay
Velona miaina amin'ny fahamarinana e!
Tsy andevozin'ny tombontsoa e!
Lainga sy vola harena koa
Ny fitiavan-tena sy ny ara-nofo!
Ry Olo-Masina Jean de Matha
Ianao no filamatry ny andronay
Ry Olo-Masina Jean de Matha
Ianao no fanilon'ny fiainanay

Ô! ry Ray Andriamanitray
Izay Nahary mpamelona aina
Ravo izahay ka midera anao e!e!
Fa nairaka ilay Zanakao ianao
Hampijoro masoandro maraina
Naneho ilay fiainana vaovao e!e!
Namakivaky taon-jato maro
Ny fahamarinana hiantsoanao anay!
Fa indro mpanavotra marina e!(2)
Ilay andrarezin'ny taninay
Ka misotra re

Ry Olo-Masina Jean de Matha(.....)
(.........)

Ô ry Ray Andriamanitray
Izay mpanavotra sy mpampiray
Ravo izahay ka misotra anao e!e!
Fa nizara ny Fanahy Masina
Hampijoro sy hamelona anay
Fanasin'izao vanin'andro izao e!e!
Namakivaky taon-jato maro
Ny asam-pitiavany hireharehanay
Ilay olon'ny Fampiombonana e!e!(2)
Ity Olo-Masina asandratray

Tsy misy fitiavana sahy(.....)
(........)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 2716
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FandeferanaBhen
Daty : 21/07/2015 14:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3251